Mpandrindra Fanabeazana mikasika ny Tontolo Iainana
Asa : Mpandrindra Fanabeazana mikasika ny Tontolo Iainana (toerana 2)
Fotoana iasana : 12 volana (farafahakeliny) ka hatramin’ny 3 taona
Toerana iasana Velondriake, faritra atsimo andrefan’i Madakasikara
Andraikitra: Andavadoaka, izay toerana iray any amin’ny Faritra Atsimo andrefan’i Madagasikara dia faritra hanatanterahana ny fampandrosoana ny tambazotran’ny toerana arovana an-dranomasina sy amorontsiraka. Mponina mipetraka amin’ny tànana 25 no mandray an-tànana ny fitantanana ny harena an-dranomasina misy any amin’izany faritra misy azy izany. Mba hanatanterahana izany fandaharanasa mikasika ny fitantanana ny faritra voaaro ataon’ny mponina izany, dia nangataka izy ireo ny hanohanana azy amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa ny hanamaroana ny asa fanentanana manodidina izany asa fiarovana ny toerana an-dranomasina sy amorontsiraka izany.
Ny andraikitra sahanin’ny Mpandrindra ny Fanabezana amin’ny lafin’ny tontolo iainana dia manabe sy manentana ireo ankizy sy ny olon-dehibe any amin’ny tànana rehetra ao amin’ny faritr’I Velondriake. Izany dia tanterahany miaraka amin’ny mponina ao sy ireo mpiasan’i Blue Ventures sy Wildlife Conservation Society izay manao asa fikarohana eny an-toerana rahateo . Ny tanjona dia ny hampitombo ny fahafantarana sy ny fahatsapan’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka ny voka-dratsin’ny fanimbana ny tontolo iainana eny amin’ny faritra onenany. Mikendry ihany koa ny fahalalany ny ezaka rehetra atao amin’ny asa fiarovana. Anisan’ny tanjona ihany koa ny miaro sy mampaharitra ny zavaboary, ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka, ary mihazona hatrany ny tsy hihenan’ ny vokatry ny fanjonoana enti-mivelona eny an-toerana.
Ankehitriny ny Blue Ventures dia miara-miasa amin’Andavadoaka amin’ny fananganana sy fanorenana Trano (Eco-lodge) tantanan’ny mponina izay afaka manome asa sy mampivelatra ny tanàna eo amin’ny lafiny ara-ekonomika. Io trano io dia hatao ivo-toerana manokana hanofanana sy hiangain’ny fampandrosoana. Ny mpifaninana voafidy no ho tompon’andraikitra ny fiofanana sy ny fampivelarana ny fahaizana ananan’ny mpitarika ny mpizahatany mba hahafahanan’ny mponina mandray sy manome vaovao momba ny tontolo iainana sy ny kolontsaina Vezo ho an’ireo mpitsidika avy amin’ny firenena maro samihafa.
Ny karama dia mifanaraka amin’ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ny mpifaninana voaray.
Ny asa fanabeazana dia mifameno amin’ireo asa fikarohana sy amin’ny ireo asa enti-miaro ny tontolo iainana rehetra nilofosan’ny mpiasan’ny Blue Ventures sy ny WCS, ary ireo mpiara-miasa rehetra any amin’ny faritra Andavadoaka. Hafantoka amin’ny fanamafisana ny fahaizana sy fahalalàna ananan’ny mpiombon’antoka rehetra izany andraikitra izany. Ireo mpandrindra ny asa fanabeazana momba ny tontolo iainana dia tompon’andraikitra amin’ny fanomezana fanofanana ny mpiray ombon’antoka miara-mitantana ny fandaharanasa.
Olona roa no ilaina amin’izany toerana izany ary ny karama dia mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa ary mifanojo amin’ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ny mpifaninana voaray tsirairay.
Raha mila fanazavana fanampiny momba ny filazana dia azo atao ny mangataka izany amin’ny adiresy voalaza etsy ambany.
Ny toetra takiana amin’ny mpifaninana dia : fahaizana ny asa, faharisiana, fahaizana mifandray amin’ olona, fahavitrihana ary fananana fahalalàna sy fahaizana momba ny fomba fiarovana tantanan’ny mponina ary traikefa momba ny fampiharana ny fiarovana ny tontolo iainana sy/na traikefa fampiharana ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra;
Ny takiana amin’ny mpifaninana dia :
- Fari-pahaizana “maîtrise” amin’ny Fanabeazana, Siansa ara-Tsosialy, Fiarovana ny tontolo iainana, jeografia, na Siansa momba ny Tontolo Iainana
- Fahaiza-manao/traikefa amin’ny fitantanana tetikasa sy fampianarana
- Fahaiza-miserasera tsara na an-tsoratra na am-bava amin’ny fiteny frantsay sy fiteny Angilisy (takiana) ary fiteny Malagasy (ilaina)
- Fahafantarana ny kolontsaina sy fahaizana fomba fiteny vezo (tsara raha hananana)
- Traikefa amin’ny fiarovana ny harena misy eny amorontsiraka amin’ny faritra tropikaly
- Fahaizana solosaina sy ny teknolojia ara-pifandraisana
- Fahaizana mitantana fotoana sy mandamina asa
- Fahaizana miasa samirery sy miaraka amin’ny ekipa
- Fanana traikefa amin’ny fahaiza-mitarika
Ireo olona manam-paniriana hifaninana amin’izany asa izany dia iangaviana handefa ny CV sy taratasy milaza ny faniriany hanao ilay asa miaraka amin’ny laharan-tarobia sy adiresy azo ifandraisana aminy ary miaraka amin’ny anarana sy adiresin’olona roa (reference) ao amin’ny:










